Politique

Fomba efa hita ny naharatsy azy


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Hotontosaina anaty fotoam-pahavaratra indray ny fifidianana amin’ity taona ity. Fomba efa hita ny naharatsy azy io hatramin’ny taona 2001 no ho nankaty fa dia mbola hatao ihany.


 Lany fotoana sy main’ny andro nitangorona sy nihorakoraka teny an-kianja teny fotsiny ireo vahoaka marobe nitaky « fiovana » fa tsy nisy niova afa-tsy tsangan’olona vitsivitsy izay otronin’ireo hery avy any Dilambato nireharehana ho tsy atao maha tapaka ahitra hatrany ny fanambaran’izy ireo kinanjo inona akory no teo ? Any anatin’ny fotoana izay efa hahadifotra ny olompirenena tsy hisaina afa-tsy fidiran’ny mpianatra sy fety ihany izany no hatao izy ity. Amin’izany fotoana izay izany angamba tsy hisy hanan-kery hitsipaka na dia tsy hankato ao an-tsainy ny zava-misy aza. Dia hitohy hatrany ny voka-pifidianana mitarazoka sy ny fetin’ny hala-bato, indrindra ny kandida ratsy fidy (mal élus). Ankehitriny, mpanao politika maromaro no mivondrona fa tsy hanaiky ny fifidianana hatao mialoha ny « fanorenana ifotony ». Dia haninona anefa ? Mba manana paikady mafonja handresena amin’izany  ve sa mbola ho toy ny mahazatra ihany dia ilay mody himenomenona fotsiny mandra-pahatongan’izay afaka manampi-bava azy amin’ny fomba mahagaga ? Hafa raha samy firenena mihitsy marina tokoa isika ary vitsy dia vitsy angamba raha misy ireo firenena toy ity nosy maintso taloha ity ka hoe mitombona hatramin’izao ny famaritan-dratsy momba azy ireo an-taonany maro. Iza re ohatra no afaka hanaporofo fa tsy « Pays du moramora » araka ny namaritan’ny frantsay azy hatramin’ny niatombohan’ny fanjanahantany intsony i Madagasikara ee ? Mpitondra teo aloha ihany aza mbola sahy manizingizina 30 taona mahery aty aoriana fa « mora » manadino isika ary ny tena mampanahy aza dia ny ho sanatria ho « mora » zanahana amin’ny fomba ofisialy fanindroany indray.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT