Nilaza ny fikambanana FMZF na Fikambanana Mpankafy Fanatajahantena sy Zavakanto fa manohana an’ireo kandidà ho ben’ny tanàna natolotry ny antoko TIM manerana ny Nosy izy ireo
, indrindra ny fanohanana an’i Neny Lalao Ravalomanana eto Antananarivo Renivohitra. Vao tsy ela akory izay no nihaona taminy teny Faravohitra nametrapetraka ny paikady rehetra izy ireo. Nitarika ny fikambanana tamin’izay i Me Rakotomalala David mpiangaly ny taranja karaté zokiolona indrindra ao amin’ny fikambanana sy Atoa Ratovelo Seth filohan’ny seksiona rugby teo aloha. Anisan’ireo nandray azy ireo tamin’izany niaraka tamin’i Neny moa ny SG-n’ny Tim Andriamahefamparany Donat sy Atoa Ramiaramanana Patrick. Efa matotra ny fifandraisana amin’izany, hoy izy ireo, satria efa nisy an-taonany maro ny fiarahan’ny TIM ny ny FMFZ ary efa hatrany amin’ny fanohanana ny fikambanana TIAKO IARIVO tamin’ny fotoanandrony mihitsy aza.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.