Manodidina ny efatra arivo amin’ireo iray alina eto Antananarivo ao anatin’ny FIkambanan’ny Zanaka Am-pielezana`ny FAritanin’i TOliara (FIZAFATO) no nanatanteraka fihaonambe nanamarihana ny faha-40 taonany teny amin’ny ANS Ampefiloha ny sabotsy lasa teo,
teo ambany fiahian’ny Filohany Maharante Jean de Dieu sy ny Filohan’ny Komitin’ny fikarakarana Guy Laurent Ramanankamonjy. Tsimialonjafy ny fikambanana, ka tsy nionona fotsiny tamin'ny fanasana ireo olona ambony sy manampahefana teny amin’ny Hotely Carlton vao tsy ela, fa niitatra tamin'ny mpikambana manontolo ary tsy manavakavaka na iza na iza, hoy ny filohany Maharante Jean de Dieu, ka dia samy nisitraka ny nofon-kena mitam-pihavanana ny rehetra tonga satria omby miisa 10 no novonoina. Navoitrany fa raha tsy misy ny fihavanana, dia tsy hisy fampandrosoana vanona, ka noraisiny ny tenin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana hoe valio amin'ny soa ny ratsy eo anatrehan’ny fanenjehana sy fanaratsiana samihafa. Ny lafiny toekarena sy sosialy no hifantohan’ny FIZAFATO, ary miezaka mifanasoa sy mitady vahaolana ho an’ireo mpikambana hatrany. Nandritra ny fety ny sabotsy teo, ohatra, dia notolorana fanomezana dia solosaina enti-tanana miisa 7, tambajotra aterineto 3 volana, video projecteur miisa iray avy, tabilao sy fanoratana ny mpianatra 7 mendrika. Tsy ho ela ihany koa ny “salon de l`emploi » ho karakarain`ny ny fikambanana hahafahana manome asa ireo mpikambana. Hametraka fanamby amin`ny fandraisana anjara amin`ny fampandrosoana amin`ny sehatra rehetra, indrindra ny any atsimo ny zanak`i Toliara ho an`ny 40 taona manaraka. Tompon’andraikitra ambony maro no nanotrona ny lanonana toy ny filohan`ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy, Filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM, Maka Alphonse. Teo ihany koa ireo mpikamban`ny governemanta toy ny minisitra Henry Rabary-Njaka, Lantoniaina Rasoloelison, Riana Andriamandavy, nampian’ny mpanolotsain’ny filoha Jaobarison Randrianarivony,... Ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo, izay ao anatin’ny Fikambanana, niampy an-dry Velompananahy Aristide, Pr Miandrisoa Jean Marcel,… izay isan’ny nanangana ny FIZAFATO voalohany.
Toky R. sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.