Somary mangingina ny eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana natrehan’ireo solombavambahoaka tamin’ny zoma lasa teo. Ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra tarihan’ny filohany
Rakotomamonjy Jean Max no tazana mihaodihaody eny an-toerana noho ny fiandrasan-draharaha tsy maintsy ataon’izy ireo ary fantatra aza fa mbola nanatanteraka fivoriana manokana izy ireo omaly alarobia 8 jolay maraina. Ahitana solombavambahoaka vitsivitsy mbola mivorivory manokana koa anefa eny an-toerana ary avy amin’ny resadresaka nataon’izy ireo rehefa mivoaka ety an-tokotany no nahafantarana fa be ireo narary an-doha noho ny tsy nahatafita ilay fitsipaham-pitokisana natao iny. Ny hevitra saika nitambaran-dry zareo rehetra hevitra koa dia ny hoe : “ara-dalàna ny fitsipaham-pitokisana nataonay satria tsy nahita mangirana na inona na inona tamin’ny fitondram-panjakana misy mihitsy ny Distrika misy anay fa tena natao faralahiny”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.