Politique

Fitsinjaram-pahefana, fampandrosoana ifotony Manamafy ny tohana ara-bola omeny ry zareo Alema


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Nivoitra io omaly nandritra ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoro alemana miasa sy monina eto Madagasikara Harald Gerhig, tamin’ny minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana vaovao Razafimahefa Tianarivelo tetsy Anosy.

Fotoana ihany koa nanaovan’ny roa tonta jeritodiky ny fiaraha-miasa Malagasy sy alema. Notsiahivina sy nohamafisina tamin’izany ny hitohizan’ireo tetikasa fampandrosoana ny kaominina sy ny fitsinjaram-pahefana izay vatsian’ny banky alemana KFW vola ho fanohanana ny Tahiry fampandrosoana eny ifotony (FDL) amin’ny fampiasam-bola eny anivon’ny kaominina. Eo koa ny fiaraha-miasa teknika vatsian’ny GIZ vola. Niara-niaiky ny mahazava-dehibe ny hanohizana ny asa efa natomboka amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny fanjakana tsara tantana ary ny fampandrosoana ifotony ihany koa ny minisitra Razafimahefa Tianarivelo sy ny ambasadaoro Harald Gehrig. Nohararaotin’ny minisitra Razafimahefa Tianarivelo ity fihaonana ity nilazany fa hanao vaindohan-draharaha ny hisian’ny fifidianana malalaka, mangarahara, azo itokisana ary eken’ny rehetra ny departemanta tarihiny.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT