Fitoriana 239 no voarainy, an’ny Faritra Atsinanana ny 115
Naharay fitoriana miisa 239 ny Fitsarana ny ady amin’ny fanjakana Toamasina tao anatin’ny 10 andro. Ny 115 amin’ireo dia avy amin’ny faritra Atsinanana ka ny 2/3-n’ny fitoriana dia ho an’i Toamasina renivohitra sy Brickaville ary Mahanoro. Miisa 63 ny an’Alaotra-Mangoro ary 61 ho an’Analanjirofo. Fitoriana napetraky ny Mapar, TIM sy Hvm no mameno ny fitoriana, vitsy ny an’ny kandida tsy miankina saingy eo amin’ny porofo no tsy ampy na tsy misy. Saika fangatahana “disqualification” na fanilihana an-daharana kandida sy fanafoanana vokatry ny ankamaroan’ny antom-pitoriana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.