Politique

Fitsarana ny ady amin’ny fanjakana Rakotra fitarainan’ireo kandidŕ ny ao Toliara


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Mitombo isa ireo fitarainana voarain’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ao Toliara, na dia nifarana ny 10 aogositra teo ny daty fanaterana izany, ahafahana manapa-kevitra mahakasika ny vokatra ofisialy

 

. Hatramin’ny omaly, mbola manao tohivakana ny fitoriana raisin’ny tompon’andraikitra. Manodidina ny 300 ny fitoriana ary ireo antoko lehibe no tena manao ny tsy fanarahan-dalàna, raha ny tati-baovao. Raha bangoina ny votoatin’ny fitarainana napetrak’ireo kandidà, dia  noho ny hosoka sy hala-bato niseho nandritra ny fifidianana ary fandrahonana isan-karazany, tsindry an-kolaka na nivantana ataon’ireo olom-panjakana ambony sy  olom-boafidy hifidianana ireo olona tohanany. Tsy navela nanao fitanana an-tsoratra ihany koa ny solontenan’ireo kandidà nitarika tamin’ny isam-bato ambony tamina biraom-pifidianana maro. Saika nahitana io olana io avokoa ireo Kaominina ambanivohitra amin’iny tapan’ny atsimon’ny nosy iny. Voalaza fa efa teny amin’ny renivohitry ny kaominina vao nofenoina ny fitanana an-tsoratra sasany.

Eric R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT