Nisy ny fitoriana sy fangatahana nataon’ny Solombavambahoaka sady mpahay lalàna Hanitra Razafimanantsoa miaraka amin’ireo mpiara-dia aminy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 17 jona amin’ny tokony handravana ny didim-panjakana nanendrena ireo mpikamban’ny governemanta Ntsay Christian.
Tokony ho nivaly ny alatsinainy 25 jona teo ny valin’io fitoriana io, saingy nahemotra omaly. Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fitoriana, ka nilaza ho tsy mahefa sy tsy manana fahefana handrava ny governemanta ity rafi-pitsarana ity amin’izany fangatahana ny fanafoanana ny didy fanendrena ireo minisitra, indrindra fa ny avy amin’ny HVM. Votoatin’ny fitoriana moa ny fahitana fa tsy nanaraka ny didy mitondra ny laharana 18-HCC/D3 tamin’ny 25 mey lasa teo ny firafitry ny governemanta. Nanohitra tamin’ny heriny rehetra ny fisian’ny olona avy amin’ny HVM ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian satria raha ny ara-dalàna dia manaja sy mifanaraka amin’ny didy navoakan’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana na ny CES tamin’ny 6 febroary 2014 momba ny valim-pifidianana solombavambahoaka, nahafaha-mamaritra ny maro an’isa ny firafitr’io governemanta io. Midika izany fa tsy tokony hisy na tamingana olona avy amin’ny antoko HVM aza ao anatin’ny governemanta. Tsy nahazo rariny hatreto ny avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, saingy tsy mbola hilavo lefona, hoy ny mpisolovava. Mitohy hatrany ny tolona eny an-kianja raha ny toromarika. Tsy hay intsony hoe lalàna tahaka ny ahoana no mihatra eto ? Tsy fantatra intsony izany ny mason-tsivana ny nanendrena ireo mpikamban’ny governemanta rehefa tsy narahana ny didy aman-dalàna. Efa nitaky ny hamoahana izay mason-tsivana izay i Saraha Rabearisoa iray amin’ireo efa nilaza fa hirotsaka ho kandida filoham-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.