Politique

Fitondrana HVM Hiainga ao Fianarantsoa ny firodanany


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Mafana ny toe-draharaha ao Fianarantsoa taorian’ny famoahan’ny CENI-T ampahana voka-pifidianana kaominaly tamin’ny 31 jolay 2015, manome fandresesana ny kandidan’ny HVM.

 

Ny ampitson’ny fifidianana ihany dia efa nisaotra ny mpifidy nametraka fitokisana taminy ka nahavoafidy azy ho Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa ny kandidan’ny HVM, Harilalaina Irma Juliandre. Milaza koa ny Mapar, fa ny kandidany Razanamahasoa Christine no voafidy araka ny vokatra miainga amin’ny fitanana an-tsoratra eo ampelatanany, ary dia nisaotra ny mpifidy ihany koa izy io sabotsy io. Nanomboka teo ny fifandroritana. Omaly dia namory mpanao gazety tao Fianarantsoa Rtoa Razanamahasoa Christine, nanamafy ny fandreseny ary niantso ny mpifidy sy ny vahoakan’i Fianarantsoa hiaro ny safidiny. Hentitra ny tenin’ity kandidan’ny Mapar ity niteny fa toheriny marindrano ary tsy ekeny velively ny vokatra navoakan’ny CENI-T mampandresy ny HVM fa izy no mandresy.

Hijoro hiaro ny safidy

Ny omalin’io, dia nitaona olona tao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia ao Ampasambazaha koa i Pety Rakotoniaina, filoha nasionalin’ny antoko Tambatra sady kandida Ben’ny tanàna ao Fianarantsoa tamin’ny 31 jolay io ihany koa. Tamin’izay koa no nilazany, fa tsy hanaiky ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka izy ary mitaona ireo mpomba azy sy ny vahoaka hijoro hiaro ny safidiny. Fanamafisam-peon’ny Mapar no nampiasainy tamin’io, izay toa mitory fa efa misy ny fifanatonan’ireo hery politika samihafa ao Fianarantsoa hanambatra ny hery manoloana ny ady iombonana dia ny fanoherana ny fandresen’ny HVM ao Fianarantsoa. Raha ny fanazavan’i Pety Rakotoniaina an-telefaonina tamina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly dia miandry ny fahavitan’ny fanadinana BEPC rahampitso fotsiny ny hetsika hataon’izy ireo. Mandra-piandry izany dia misy ny fifanatonana amin’ireo antoko sy fikambanana politika ao an-toerana indrindra ireo nandray anjara tamin’ny fifidianana kaominaly. Mafanafana ao Fianarantsoa, ary efa mandeha aza ny resaka fa hiainga ao ny firodanan’ity fitondran’ny HVM ity, ateraky ny fanoherana voka-pifidianana noho ny hosoka sy ny tsy fahatomombanana anaovan’ny maro fanamarihana.

Ragasy:Tena filma vaovao indray’ty, ny zaza maditra no rôla

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT