Nanomboka ny taona 2009 no tena nampahazo laka ny kolontsain’ny firevena teto Madagasikara. Tsy nanavahana intsony io na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritany.
Havanana tamin’izay resaka fampirevena vahoaka izay rahateo moa no lasa tompom-pahefana ka zary takon’ny revy avokoa ny tena vontoatin’ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny hanao fety foana no tsikaritra ho mahamaika ny ankamaroan’ny vahoaka nanomboka teo. Niha nangatsiaka ihany koa ny fankalazana ny fetim-pirenena. Marina fa antony naharesy lahatra ny maro tsy hanangan-tsaina intsony rehefa volana jona tamin’izany fotoana ny fahatsapana fa tsy nahaleotena isika saingy na dia niova aza ny fanentanana sy fanazavana ankehitriny fa mariky ny fiandrianam-pirenena ny sainam-pirenena dia lasa zary fomba amam-panao mahazatra sarotra ialana ilay tsy manangan-tsaina. Sahirana ny vahoaka ary raha ny fanadihadiana natao dia lahoana na dia ny hitadidy izay namorona ny hiram-pireneny aza ny maro. Ankavitsiana no mahafantatra fa ny Pastora Rahajason no namorona iny tononkira iny ary i Norbert Raharisoa kosa no nanao ny feony. Resin’ny revy tanteraka ny fitiavan-tanindrazana, hany ka any anaty fankalazana ny fetim-pirenena avy no misy zandary voatsatok’antsy, toy izay nitranga tamin’ny tetezamita farany teo, kanefa firaisankina no voizina amin’ny vanim-potoana toy itony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.