Tsy misy fihentanam-po sy fitiavan-tanindrazana intsony eto amintsika, ary efa nofinofy izany tanjona iraisana izany, ka lojika raha tsy misy tratra ny tolona tiana hotatrarina.
Tany amin’ny resaka tolona politika, dia niaraha-nahita, ohatra, fa vao nahazo seza ny vondrona MAPAR, dia nitsipaka ny vahoaka nisikim-ponitra tamin’ny tolona noho ny hetaheta hisian’ny fiovana sy fanovana. Raha dinihina indray ny resaka tolona sendikaly, toy ny an’ny mpampianatra, dia tsikaritra ihany fisamatsamahana, ary manomboka ampiadian’ny fanjakana ny samy mpitarika. Manginy fotsiny amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena tsy miteraka fampandrosoana ny tany tsy tan-dalàna, ary miainga any amin’ny mpitondra ambony ny leson-dratsy toy ny fanomezana vahana ny kolikoly, kanefa dia vitavita ho azy ireny. Tsy atao mahagaga intsony satria ny lalàna farak’izay bitika indrindra aza tsy voahajantsika ary tsy misy intsony izany fanajana soatoavina izany, fa samy manao izay saim-patany. Raha horaisina ho ohatra ny firenena Thailandey, dia voarara ny mitanjaka imasom-bahoaka, ary hahazoana sazy henjana ; mila madio ny isam-batan’olona; handoavana vola 50 Euros ny fanariana tain-tsigara na baorika eny rehetra eny,… Manenjana ny mpitondra eo amin’ny fampiharan-dalàna, ary manaiky sy miara-mientana ny rehetra satria satria misy ny fihentanana sy fanajana lalàna. Tsy ilàna fitambezoana volabe amina miliara amin’ny vahiny izany, fa finiavana sy fiaraha-mientana ary fietanam-po, fa mbola sarotra ho an’ny Malagasy e! Tsy handrosoa mandrakizay isika, raha mbola ny samy maka ho azy sy ny baranahiny no hampanjakana eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.