Politique

Firaisankina ho an’i Madagasikara “Mifanohitra amin’ny lalàna io datim-pifidianana io »


  • Talata 10 Jolay 2018

Mitaky ny hampiatoana ireo fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny lalàna velona ny Vovonana Firaisankina ho an’i Madagasikara. Lohalaharana amin’izany ny datim-pifidianana, indrindra fa ny fihodinana faharoa amin’ny 19 desambra ho fanajana ny voalaza ao amin’ny andininy faha-167 amin’ny lalàmpanorenana.

 

 « Tsy mifanaraka amin’ny andininy faha 13 sy 14 amin’ny fanapahan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana laharana faha 18-HCC/D3 tamin’ny 25 mey 2018 ny famaritan’ny governemanta ny datim-pifidianana ho filoham-pirenena 2018 «,  hoy Rtoa  Raoera Chandoutis, filohan’ny zon’olombelona mijoro, sady mpikambana eo anivon’ny vovonana Firaisankina ho an’i Madagasikara. Anisan’ny antony nametrahan’izy ireo fitoriana teny amin’ny HCC  izany ny 08 jolay lasa teo. Toraka izany koa ny mahakasika ny taratasy nalefa teo anivon’ny HCC mitondra ny laharana 545-HCC ny 11 jona 2018 lasa teo, izay nampatsiahy ny tokony hampiarahana ny fehin-kevitry ny CCI ivato 2015, momba ny fananganana  ny vondrona iaraha-mitantana izay hany lalan-tokana hahafahana mivoaka amin’ny krizy sy ny tsy hiverimberenan’ny olana  misy eto amin’ny firenena intsony. Nohamafisin’izy ireo ihany koa moa fa tsy afaka miara-miasa intsony ireo solombavambahoaka ankehitriny izay mety hiteraka ny fahamaivanan’ny lalàna dinihina ka takian’izy ireo ihany koa ny handravana ity andrim-panjakana iray ity. Andrasan’ny vovonana, araka izany, ny hisian’ny fanamboarana sy fanovana ireo karazan-dalàna misy eto amintsika, mialoha ny fifidianana.

Pati


 

. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT