Anio indray no voatondro fa hihaonan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ireo depiote. Efa saika notanterahana omaly izany saingy tsy vita.
Raha ny fanazavan’ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko omaly teny Tsimbazaza dia tsy hoe ny depiote rehetra tsy akory no ho avy hihaona amin’ny filoham-pirenena fa ny solontena ihany izay mety ahitana ny birao maharitra sy ireo lehiben’ny vondrona parlemantera. Fifanazavana sy fifanarahana mba handrafetana ilay « pacte de responsabilité » araka ny soso-kevitry ny HCC moa no anton’ny fihaonana. Ilaina ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena, indrindra fa amin’ireo samy andrim-panjakana satria raha ny mpitondra no miady dia tsy hisy zava-banona eto. Ho raikitra ihany ve ny fihaonana ? Afaka hifanaraka ve ny filoha sy ny solombavambahoaka ? Raha ny zava-nisy teny Tsimbazaza omaly izay dia henjankenjana ihany ny fifampiresahana teo amin’ireo olomboafidy sy ny minisitry ny serasera ka nivoaka mihitsy aza ny resaka fa sao dia tokony hodinihana ny amin’ny governemanta. Raha ny feo re omaly dia mety ho eny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola anio antoandro amin’ny 11 ora no hanombohan’ity fihaonana ity, raha tsy hisy indray ny fiovana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.