Tafatsangana ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary afaka nifanaraka ihany ireo vondron-kery politika eto Madagasikara. Manana andraikitra goavana ny governemanta Ntsay amin`ny fanatanterahana fifidianana sy fampandehanana raharaha ary ny fiainam-pirenena.
Tsy fifidianana petatoko na vonjitavanandro kosa no andrasana fa fifidianana milamina sy eken`ny rehetra. Fantatra fa samy manana ny tombontsoany, samy manana ny eritreriny ary ny kajiny ny antoko politika fa rehefa ampiarahana amin`ny ekipa anankiray dia tsy maintsy misy tanjona iray kendrena. Avela any mihitsy ny fitiavan-tena na tombombarotry ny tsirairay fa ny tombontsoa ho an`ny fandaminana sy amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ao anatin`ny fahatoniana sy fahamarinana no tena kendrena, hoy i Gerard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny CFM. Nanamafy ny tenany fa manana ny adidiny ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) amin`ny maha rafi-panjakana azy mba hisian`ny filaminana. Antony nijoroany ny hisian`ny fitoniana mialoha, mandritra, ao aorian`ny fifidianana. Ao anatin`izany dia manana ny asany ny CENI sy ny governemanta ka tsy maintsy miara-miasa daholo na ireo rafitra any ambany any aza. Izany hoe tsy maintsy miara-mandray andraikitra fa tsy hoe mitsangana ny governemanta dia vita ny fifidianana fa tsy maintsy manome ny anjarany ny tsirairay, hoy hatrany ny fanazavana. Notsindrian’ity filoha lefitry ny CFM ity fa maro ny olana eto amin`ny firenena izay tsy mijanona ara-politika saingy tokony hoeken`ny rehetra io fifidianana io mba hisian`ny filaminana. Raha mbola misy foana ny mila vaniny dia fahavalon`ny firenena izay. Ny krizy eto amintsika dia resaka tsy fifampitokisana ka izay no hanatanterahana izao dingana maro izao. Mifameno rahateo ny CFM, ny CENI, ny governemanta, ny tompon`andraikitra isam-paritra sy isaky ny fokontany. Hampiantsoin`ny CENI ny CFM anio mba hiara-kijery izay tokony hirosoana amin`ny fifidianana. Tsy miditra amin`ny asan`ny CENI izay ara-teknika ny CFM fa kosa afaka hanome soso-kevitra ara- politika sy etika. Nambaran`i Gerard Noel Ramamimampionona fa tokony hijery ny fomba hanentanana ny fanabeazan`ny olona izay hiatrika fifidianana sy ireo olona hirotsaka ho kandidà ary maro ny fepetra tokony horaisina. Mahakasika ny fihaonambe teny amin’ny CCI Ivato nokarakarain`ny CFM dia maro no hevitra voaray saingy tsy maintsy tsinjaraina avokoa ny asa. Mampalahelo, hoy ny CFM fa takona tamin`ny fifandirana nisy tamin`ireo mpisehatra ny fampihavanana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.