Notendrena nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny talata ireo olona handrafitra ny Komity hamolavola ny rijanteny handrafetana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy amin’ny endriny vaovao.
Miisa 11 izy ireo, ary vao omaly no nampahafantarina ny mpanao gazety ny anarany. Notendrena amin’ny anaran’ny Fiadidiana ny repoblika ny 2 dia Rakotomanana Honoré sy Rasolo André. Noho ny fahaizana sy ny traikefany manokana kosa no nitsongana ny 9, dia Imbiky Anaclet, Rajaona Andriamanankiandrianana, Razafindravelo Elisabeth, Rakotomalala Bakoly, Papisy Ialfine, Rasoloarisoa Marie Madeleine, Randrianasolo José Bertin, Maka Alphonse ary Zakariasy Patrick. Raha izao firafiny izao aloha tsy dia misy fiovana antenaina firy amin’ny misy amin’izao. Mety hiala an’Ankatso ity dia Ambohidempona.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.