Politique

Fikambanana Malagasy mandray andraikitra Hidina ifotony rehefa misy mitaraina


  • Talata 31 Jolay 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly ny fijoroan’ny fikambanana MAlagasy Mandray Andraikitra (MA.M.A).

Ny 18 mey teo, raha ny fanazavana no tena nijoroan’izy ity saingy izao vao nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy. Hiaro ny harem-pirenena, ny tontolo iainana, ny kolontsaina ary hamerina ny afom-pitiavan-tanindrazana any anatin’ny tsirairay avy sy hiady amin’ny tsindry hazo lena no antom-pisian’ny fikambanana. Tsy afa-miala amin’ny raharaha politika ihany koa anefa izahay, hoy izy ireo, amin’ny maha olom-pirenena mandray andraikitra anay ka antony hiantsoanay ny filoha Andry Rajoelina, hirotsaka ho filoham-pirenena. Tsy nety nanazava ny anton’ny safidy moa ny fikambanana. Ny endriky ny fandraisanay andraikitra kosa, hoy izy ireo, dia amin’ny alalan’ny fidinana ifotony miaraka amin’ny manampahaizana rehefa mandre fitarainana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT