Nanitsy ny voalazan’izy ireo omaly ka nivoaka tao amin’ny lahatsoratry ny gazety Tia Tanindrazana omaly zoma 7 aogositra tak faha-4 ny fikambanana Mahasoa tamin’ny alalan’ny kandidŕ Neny Julia sy ny Mapar tamin’ny alalan’ny kandidŕ Thierry Rabary fa tsy ny kandidŕm-panjakana no voakasiky ny fitarainana nataon’izy ireo fa ny kandidŕ an’ny MDV laharana faha-4
. Nambaran’ireto kandidà nametraka fitoriana ireto fa efa hatramin’ny andron’ny fampielezan-kevitra no nigafy azy ireo ity laharana fahefatra ity izay naniraka mpitora-bato mihitsy, manginy fotsiny ny fandrahonana samihafa nahazo manokana ny laharana faha-2 sy tamin’ireo tompon’ny trano nametraka afisin’izy ireo teo amin’ny tranony. Mbola nohamafisin’ireto nisy firaisanaa tsikombakomba sy fanaovana fampielezan-kevitra nandritra ny androm-pifidianana niaraka tamin’ny solontenan’ny PNUD, Rtoa Fatma Samoura, nataon’ity kandidà MDV n°4 ity ary koa fizarana vola tamin’ny olona izay nasaina nifidy an’io kandidà laharana faha-4 io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.