Fianakaviana sahirana maherin’ny 300 isa avy amin’ny boriborintany 6 teto Antananarivo Renivohitra, kaominina Anosizato Andrefana ary
Kaominina Tanjombato no nahazo tombony tamin’ny tetikasa «Zara hafaliana» nokarakarain’ny fikambanana Madagasikara mandroso miaraka ny alahady 24 jona sy ny alatsinainy 25 jona teto an-drenivohitra tanatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Ankizy maherin’ny 600 kosa no nizarana harendrina, bisikoitra, vatomamy ary sokolà. Maro ireo fianakaviana sahirana izay tsy manana na dia ny harapaka aza amin’ny andro fety toy izao ka tanjon’ity tetikasa ity ny hizara hafaliana ho an’ireo fianakaviana tena sahirana mba ahafahan’izy ireo mifety toy ny olom-pirenena rehetra, hoy i Julie Raharisoa, talen’ny tetikasa eo anivon’ny fikambanana. Orinasa sy fikambanana maro avy eto an-toerana sy iraisampirenena moa no niara-niasa tamin’izy ireo nahatontosana izany. Anisan’ny nanampy ihany koa ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara na ny SIM, raha ny fanazavana hatrany. Hiitatra amin’ny fanabeazana ny hetsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.