Tontosa omaly teny amin’ny Carlton Anosy ny fampihaonana voalohany ireo kandida ho ben’ny tanŕna eto Antananarivo renivohitra, tsy dia tena nisy firy ny zavatra nisongadina fa samy niezaka
nampisongadina ny tenany ireo kandida 7 tamin’ireo 9 niatrika ity fampihaonana nokarakarain’ny Friedrich Ebert Stiftung Madagascar ity.Tsy afaka nanatrika ny fihaonana Rtoa isany Véronique Rajerison sy Lalao Ravalomanana ary samy nandefa fialan-tsiny.Nilaza io omaly io i Hery Rafalimanana fa raha lany ben’ny tanàna ny tenany dia manome toky fa tsy hanongam-panjkana, nanizingizina kosa i Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy maintsy hanohitra ny fitondrana ny tenany raha toa ka sakantsakanana amin’ny asa ataony rahatrizay ben’ny tanàna.Rtoa Lalatiana Ravalolomanana indray dia nanitrikitrika fa ny fitondram-panjakana mihitsy matetika no sakana amin’ny fampandrosoana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.