Politique

Fifidianana tsy tomombana Miala bala ny praiminisitra


  • Talata 04 Aogositra 2015

Tsy nety nanome fanazavana ela ny praiminisitra raha nanontaniana momba ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo.

 

 « Mbola  raharaham-piangonana no atrehina androany ka aoka tsy  hafangaro amin’ny raharaha politika aloha fa ny  azoko ambara dia nandeha ihany ny fifidianana ary  mbola tsy  misy   mikorontana  ny olona  aloha hatramin’izao », hoy izy. Nampanantena ny mbola  haneho hevitra amin’ny fizotry ny fifidianana ihany moa izy. Fa raha fihetseham-bahoaka no noresahin’ny  praiminisitra dia efa maneho ny tsy fahafaliany ny vahoaka ao Fianarantsoa ka  tsy  nanaiky ny vokatra vonjimaika  navoakan’ny Cenit  izay  nanambara fa ny  kandida Hvm no nandresy  amin’ny salan’isa 36 % ary 35 % kosa ny an’ny Mapar. Ity farany  izay  nanambara  fa mbola misy birao  fandatsaham-bato   miisa telo tsy  avoakan’ny  Cenit ny vokatra. Raha ny vato amin’ireo  mantsy no voaisa dia  mazava ny fandresen-dRazanamahasoa Christine kandidan’ny Mapar. Tany Fenoarivo atsinanana ary tetsy Ambohimangakely akaiky tetsy ihany koa dia efa nahitana izany hetsika fanehoana tsy fahafaliana vokatry ny tsy fahatomomban’ny fifidianana izany. Tsy lazaina intsony ireo kandida na mpifidy tsy tafiditra  tao anaty lisitra na niova toeran-kafa ny toerana misy ny anaran’izy ireo.

Andry Ratovo 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT