Na dia tsy nivoaka ofisialy aza ny vokatra tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina nitambatra teto Antananarivo Renivohitra dia tsy azo hihodivirana intsony ny fandresena azon’ny kandidà TIM i Neny Lalao Ravalomanana
. Raha amin’izay zava-misy izay fotsiny dia azo ambara mazava fa diso fifidy fiaraha-miasa ny antoko MFM nisafidy ny nanohana kandidà hafa noho ity kandidàn’ny TIM sy ireo mpiara-dalana amin’ity antoko ity izay tsy nahafoy tokoa teo aloha nefa nobaikoan’ny hambom-po diso toerana. Soa fa nisy ny elatra Mfm Raveloson Constant tsy nivadi-belirano tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny TIM.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.