Politique

Fifidianana tany Morafenobe Nataon’ny RPSD Vaovao ampihimamba ny RNM sy TVM


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Mitairana ireo kandidan’ny Malagasy Miara Miainga, Hery Vaovao ho an’i Madagasikara,

 

Tiako I Madagasikara ary MAPAR tao amin’ny Kaominina sady renivohitry ny distrikan’i Morafenobe noho tsy nahafahan’izy ireo nampiasa ny haino amanjerim-panjakana nandritra ny fampielezan-kevitra na dia manan-jo hampiasa izany, amin’ny ampahany maimaimpoana sy ny andoavam-bola izy ireo araka ny lalam-pifidianana. Tondroin’ireo kandida ho nataon’ny RPSD Vaovao ampihimamba ny RNM sy TVM ao an-toerana, ka ny kandidan’ity antoko ity ihany no tena nisitraka izany nialoha sy nandritra ny fifidianana. Ao amin’ny biraon’ny kaominina moa no misy ny RNM sy TVM ao Morafenobe. Olon’ny RPSD Vaovao anefa ny filohan’ny delegasiona manokana ao, ary lefiny ny kandidan’ny antoko nirotsaka ho Ben’ny tanàna ao an-toerana, izay mitarika raha vokatra vonjimaika mivoaka taorian’ny 31 jolay 2015.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT