Politique

Fifidianana sy raharaham-pirenena “Favori” foana izay mahazaka an’Iarivo


  • Zoma 06 Jolay 2018

Tsy azo hiadian-kevitra fa manana ny toerany lehibe eto Madagasikara Antananarivo amin’ny maha revivohitry ny firenena azy.

 

 Eto avokoa ny ivon’ny andrim-panjakana, foibem-pitantanana sy fibaikoana. Be orinasa indrindra satria miantoka ny 80%-n’ny entana aondrana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Iankinan’ny fiainana na ara-toekarena na ara-tsosialy, indrindra fa ny politika. Be mpifidy indrindra eto Madagasikara, ary ny mpanao politika mahazo vato be indrindra eto, dia matanjaka sy manan-danja hatrany. Lojika be raha manana herijika lehibe hitondra ny firenena, izay antoko mahazaka an’Antananarivo. Hatao izay hizarazana ny vato eto saingy na inona na inona fomba hatao, dia tsy azo ihodivirana sy tsy azo ailika amin’ny raharaham-pirenena sy ny tontolo politika eto Madagasikara ny antoko sy ny kandida mahazaka an’Antananarivo sy ny afovoan-tany. Efa mandeha ankehitriny izay fomba rehetra hizarazarana ny vato amin’ny fifidianana. Efa nisy kandida nanambara ofisialy fa hirotsaka, dia natao mba haka sy handrava ny vaton’Antsirabe fotsiny, ohatra. Mbola hisy ihany koa ny kandida avy amin’ny faritra sasany eto afovoan-tany ihany manangasanga any.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT