Politique

Fifidianana sa fanarenana ifotony Inona no tena mahamaika ?


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Mila arenina sy alamina aloha ny firenena vao miroso amin`ny fifidianana.

 Mizara roa ny hevitr`ireo mpanao politika dia na fanarenam-pirenena na fifidianana. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe “inona marina no tena mahamaika ho an`ny Malagasy”. Zavatra roa tena mahamaika matoa nisy ireny fitakiana ireny ary mbola misy hatramin`izao. Misy, araka izany, zavatra tsy maintsy vonjena haingana. Voalohany, ho an`ny vahoaka, ny resaka vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fampianarana, ny fahasalamam-bahoaka no tena laharam-pahamehana. Ho an`ireo mpiasam-panjakana sy sendika isan-karazany indray dia isaky ny sehatra iasana no tsy maintsy hamahana ny olana. Ho an`ny mpitsara, ohatra, mitaky fahaleovantena, mitaky ny fanatsarana ny fomba fiasa sy toeram-piasany. Ny minisitra no mampiseho fahavononana hamaly an`izany ary miezaka mamaha ifotony. Faharoa, ny fanarenana ifotony,  tsy misy tsy gaga hoe fa maninona i Madagasikara sy ny toetsain`ny vahoaka malagasy no lasa tena potika tanteraka ? Ny fihavanana sy ny fiarahamonina no tsy misy intsony ary ireny no mila averina any ifotony amin`ny soatoavina Malagasy. Tsy azo atao maika kosa anefa ny fanarenana fa atao miandalana. Etsy an-daniny, ireo vondron-kery politika matanjaka dia miroso amin`ny fanatanterahana fifidianana ihany. Ny fifidianana no lalana mahomby indrindra hivoahana amin`ny krizy misy eto amin`ny firenena. Ny governemanta Ntsay Christian dia tsy te hahalala afa-tsy fifidianana. Ny zava-misy hatreto  aloha dia ny fizarana seza hampifalifaliana an`ireo antoko lehibe fa ny sasany tsy nojerena mihitsy. Eo ihany koa ny fanomezana ny fahefana rehetra amin`ny praiminisitra mba hitantanana sy hamoahana izao krizy izao ary idirana amin`ny resaka fifidianana. Mbola misy olana goavana amin`ny fanatanterahana fifidianana anefa toy ireo olona mikirakira any amin`ny CENI sy ny minisiteran`ny atitany, ny lisi-pifidianana, ireo biraom-pifidianana... Izany ve hahavitana fifidianana mialoha ny fotoana sa raha tsy vita dia azontsika atao amin`ny taona 2019 ? Mila maka lesona aloha ny Malagasy raha oharina amin`ireo firenen-kafa.  Betsaka tokoa ny tany niady toy Liban, Sina, fiarahana ny Alemana sy Frantsa, ireo firenena ao Amerika Latina, Etiopia, Rwanda, Afrika Atsimo... Mafy be ny niainan-dry zareo kanefa vitany miandalana ny fanarenana ifotony satria nisy an`ilay fitiavana sy finiavana ary fiarahana miaraka hanorina firenena anankiray. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT