Nilamindamina ihany toy ny tany amin’ny faritra hafa rehetra ny fizotran’ny fandatsaham-bato omaly teny amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo
na dia teo aza ny indro kely isan-karazany niraisan’ny rehetra teo amin’ny tsy fahatomombanan’ny lisim-pifidianana ka tsy nahitana ny anaran’ny mpifidy sasany tao anatin’izany na dia efa anisan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany aza. Santionany koa ny fijerena ny anarana tao anatin’izany lisitra izany noho ny fahaverezan’ny kara-pifidianana teo aloha izay efa nahazatra ihany tao ho ao ny fanoloana azy ireny ho vaovao rehefa misy fifidianana vaovao tahaka izao atao. Fa izay nampiavaka ny teny amin’ireo birao fandantsaham-bato roa nisy tao amin’ny fokontanin’Ampahimanga kaominin’Ambohimanambola dia ny fahataran’ny fisokafan’ny birao fandantsaham-bato tao amin’ny birao fokontany teny an-toerana efa tamin’ny 6 ora sy sasany maraina vao nisokatra izany raha tamin’ny 6 ora latsaka fahefany maraina no fotoana nifanomezana. Na izany aza dia vita soa aman-tsara ihany ny fandatsaham-bato na dia nihena toy ny an’ny rehetra aza ny salan’isam-pahavitrihana tamin’ny ankapobeny satria ampahany ihany tamin’ny mpifidy 1870 voasoratra anarana tamin’ireo birao roa ireo no tonga nanefa ny adidiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.