Maneho ny ahiahiny ny SeFaFi (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena) raha ny fanambarana navoakany ny 4 jolay teo, manoloana ny fifidianana Kaominaly ho avy. Zava-dehibe loatra ho an’ny demokrasia, ho an’ny Repoblika ary ho an’ny fampandrosoana ny fifidianana ny Ben’ny tanàna, hoy ny Sefafi,
saingy mampiahiahy ny fahitana tamin’ny fomba mampitaintaina ireo baoritra feno vola, fa mampiahiahy toy izany koa ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tahaka ny nataon’ny tenan’ny Filohan’ny Repoblika teny amin’ny Biraon’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpamatsy vola sy ny kandidà HVM ny 1 jona. Ny TVM sy ny RNM dia rakotry ny fanambarana politika avy amin’ny governemanta. Efa antomotra izao ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, hoy ny Sefafi, nefa tsy mbola nampahafantarina ny mpifidy ny lisitry ny kandidà raikitra any amin’ny Kaominina tsirairay avy. Toy izany koa ny lisitry ny mpifidy. Voatsikera mafy ho tsy mahefa ny andraikiny koa ny CENI-T, tsy mampita afa-tsy vaovao faran’izay bitika, hany ka tsy afaka manefa ny adidiny araka ny tokony ho izy ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fifidianana.
Hanana ny lanjany manokana ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy izao. Izy no hahalalana ny lanjan’ny hery politikan’ny an-daniny sy an-kilany avy, ary izy no hanendry ny Ben’ny tanàna izay hantsoina hifidy ny roa ampahatelon’ny Loholona. Ny Ben’ny tanàna dia olom-boafidy akaikin’ny vahoaka, ary izy no voalohany indrindra voakasiky ny fanapariaham-pahefana tena izy. Zava-dehibe loatra ho an’ny mpifidy, noho izany, rehefa mifidy izay ho Ben’ny tanànany izy, ny hahafahany mahalala izay kandidà afaka manatanteraka ny vinavinan’asany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.