Manao ranolava ny fanambarana manodidina ny fifidianana kaominaly hatao ny 31 jolay izao. Ho an’Atoa Ramanantsoa Ramarcel Benjamina dia mila Ben’ny tanàna mahazo ny fanohanan’ny antoko
politika marolafy, ka isan’izany ireo antoko manohana ny fitondrana, sy ny olom-pirenena tsy ankanavaka Antananarivo hiatrehany ny fampandrosoana. Tsy nihambahamba izy nanambara fa ny kandidan’ny Iarivo Mitambatra Hery Rafalimanana no mamaly izany filana izany. Ampy izay, hoy izy ny fanaovana an’Antananarivo ho ivo-toeran’ny fanonganam-panjakana, ho fandrombahana eny an-dalambe ny fahefan’ny Filohan’ny Repoblika lanim-bahoaka, ho tanànan’ny fanakorontanana politika na ho tohatra fiakarana ara-politika eo amin’ny sehatra nasionaly. Aminy, ity fifidianana kaominaly indray mitoraka ity, dia ao anaty tambazotra marina irosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Aoka ny lasa homba ny lasa sy avalon’ny tantara sy ny fomba nampanjakan’ireo “fitopolo tafo” teto iarivo am-poto-taona maro izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.