Politique

Fifidianana Kaominaly - Ankazobe Nanjakan’ny lesoka sy fampihorohoroana


  • Talata 18 Aogositra 2015

Kitoatoa sy nahitana lesoka ny fifidianana notanterahana ny zoma 31 jolay 2015 ho an’ireo kaominina rehetra ao amin’ny distrikan’Ankazobe,

 


 

 araka ny fitarainana napetraky ny antoko Tiako I Madagasikara eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eny Anosy. Manaporofo izany ny fahabetsahan’ireo olom-pirenena noverezin-jo tsy afaka nifidy satria tsy voasoratra tao anaty lisitra.

Fandikan-dalàna

Mifototra amin’ireo fandikan-dalàna marobe nitranga nialoha sy nandritra ny fandatsaham-bato ny votoatin’ity fitorian’ny antoko TIM tao amin’ireo kaominina 15 mandrafitra ny distrikan’Ankazobe ity. Niharan’ny ramatahora sy fandrahonana, ohatra, ny mponina ao Andranomiely nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fifidianana ankoatra ny fandroahana ny delegen’ny kandida TIM. Niafara tamin’ny faharatrana sy fahafatesana ny fampihorohoroana nandritra ny fampielezan-kevitra tao amin’ny kaominina Kiangara. Tsy nijanona tamin’ny maha solontenam-panjakana azy indray ny manampahefana ao Talata Angavo fa nanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandida mpifaninana iray. Mbola nanohy ny asa tao amin’ny kaominina Ambolotarakely ny ben’ny tanàna na dia efa anisan’ireo kandida ofisialy mpifaninana aza. Natomboka ora iray mialoha ny fotoana voatondro tsy natrehana delege ihany koa ny fandatsahambato tao an-toerana miaraka amin’ny toromarika fanoroana ny laharan’ny kandida tokony hofidiana. Efa tamin’ny 10 ora alina kosa vao nikatona ny birao fandatsahambato tao amin’ny kaominina Fiadanana na dia efa tsy nisy mpifidy intsony aza. Noho ireo trangan-javatra samihafa mifanohitra amin’ny lalàna velona ireo indrindra moa no nahatonga ny antoko Tiako I Madagasikara Ankazobe nametraka fitoriana fitarainana dinihana eny anivon’ny tribonaly administrativa ary miandry am-pitoniana valiny mahafa-po avy amin’ireo mpitsara mpanapa-kevitra.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT