Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 1 700 ny isan’ny fitarainana tonga eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana manerana an’i Madagasikara mahakasika ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo
.Ho an’Antananarivo dia mahatratra 200 izany. Manana 30 andro taorian’ny nametrahana ny taratasy fitoriana kosa ny fitsarana handinihana izany fitarainana izany. Araka ny fanambaran’Atoa Rakotomandimby Benjamin, kaomisera jeneralin’ny lalàna dia efa eo am-pandinihana tanteraka sy manavaka ireo fitoriana ankehitriny ny eo anivon’ny fitsarana. Misy amin’ireo fitarainana ireo mantsy no tsy azo raisina ary misy kosa ireo mety halefa any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ireo taratasy fitoriana tandrify azy ireo kosa dia hotsaraina eo amin’izy ireo ihany.Ny lalàna mifehy ny fifidianana dia tsiahivina fa manome alalana ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana hampanao fanadihadiana lalina ary afaka manafoana ny voka-pifidanana amin’ny ampahany na manontolo ihany koa izy ireo. Manana zo hiaro tena kosa ireo voampanga ary afaka mampiakatra ny raharaha eny amin’ny conseil d’Etat ihany koa. Ny didim-pitsaran’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana dia miaraka mivoaka amin’ny voka-pifidianana ofisialy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.