Tsy dia re tsaika firy ireo kandidà efa nanao fanambarana ampahibemaso fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin`ity taona 2018 ity. Herinandro roa monja sisa dia hiroso amin`ny fanaterana ireo taratasim-pilatsaham-kofidiana ireo kandidà handray anjara.
Hentitra ny fanambarana nataon`ny filohan`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa fa lavina tsy ho kandidà ho filoham-pirenena amin`ny fifidianana 2018 raha tsy mahafeno ny antontan-taratasy ilaina na iray aza. Betsaka tokoa ny fepetra takiana ary tsy maintsy arahina ny lalàna, satria ny olona hitondra firenena dia asa sarotra sady asa masina. Tsy dia re firy intsony ireo kandidà nitety faritra na ireo tsy nanao fanambarana ofisialy fa hirotsaka saingy manao fidinana eny ifotony mijery ny olan`ny vahoaka. Samy somokotra mikarakara ireo antontan-taratasy ilaina amin`ny fifidianana ho filohan`ny repoblika izy ireo. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny isan`ireo handray anjara ary tsy maintsy miandry ny fe-potoana amin`ny alarobia 1 aogositra 2018 ka hatramin`ny talata 21 aogositra 2018 vao tena voafaritra izany. Ny fampielezan-kevitra kosa dia manomboka ny 8 oktobra hatramin`ny 6 novambra ny fihodiana voalohany. Na mbola mizara roa aza ny tontolo politika amin`ny fanatanterahana fifidianana dia tsy azo ihodivirana ny fifidianana satria dingana ahafahan`ny firenena iray manao sy manomboka ireo asa fanarenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.