Politique

Fifidianana filoham-pirenena Misy kandida tiana hailika mafy


  • Talata 17 Jolay 2018

Nivoaka iny ny fepetra henjana takiana amin’ireo kandida filoha sy ny fampitandreman’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Jean Eric Rakotoarisoa, izay tsikaritra fa Ravalomanana no mety kendrena hofinganina amin’io.

Sarotra mantsy ny hanagadra azy indray, rahefa nohitrikitrihana sy nogafiana mafy taorian’ny nilazany fa ho kandida izy, ka any amin’ny fikarakarana dosie no hitadiavana hevitra. Efa voan’io koa i Lalao Ravalomanana tamin’ny firotsahan-kofidiany ny taona 2013, izay nitadiavana izay fomba rehetra nahafahana nanilika azy. Nambaran’ny filohan’ny HCC ny 11 jolay teo fa mihintsana avy hatrany ihany koa izay kandida manao fanambarana ampahibemaso manaratsy ny fitantanan-draharaham-pifidianana satria ambara fa efa misy ny ezaka. Tsy ny antoko Tiako I Madagasikara ve no lohalaharana nanakiana sy namaky bantsilana sy nitaky ny hisian’ny fitsipi-dalao mazava amin’ny tokony hanovana ny rafitra mikarakara ny fifidianana na ny CENI ? Efa im-betsaka i Marc Ravalomanana no niezaka niteny sy nitaky ny hisian’ny mangarahara, ary efa nasiany teny io CENI io. Mbola nohamafisiny nandritra ny fetim-pirenena Frantsay ny teny Ivandry ny sabotsy teo fa tokony hisy ny fifanajana tsara, tokony hifanaja sy hazava tsara ny sori-dalana tokony harahina sy ny fitsipi-dalao, fa tsy manao izay manafintohina ny hafa, manaja tsara ny lalàmpanorenana, manaja ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT