Mizotra mankany amin`ny fifidianana hatrany ny governemanta Ntsay. Nambaran`ny Filohan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa fa lavina tsy ho kandidà ho filoham-pirenena amin`ny fifidianana 2018 raha tsy mahafeno ny antontan-taratasy ilaina na iray aza.
Na koa tsy manaraka ny iray amin`ireo fepetra ny kandidà iray dia hoesorina sy tsy horaisina ny filatsahany, mihintsana avy hatrany ihany koa izay kandida manao fanambarana ampahibemaso manaratsy ny fitantanan-draharaham-pifidianana na mikendry ny hanao tsindry bokotra amin’ireo fepetra takiana, hoy ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa. Afaka manatitra kosa ireo kandidà raha mahafeno mialoha raha toa ka vonona tsara sy manaraka ny zavatra takiana. Miisa 15 ireo antontan-taratasy ilaina amin`ny filatsahana ho kandidà. Notsindriny kosa fa tsy tokony hatao “ady gasy” ny fametrahana azy, izany hoe miandry andro sy ora farany. Mahakasika ny fikarakarana ny fifidianana indray dia tsy misy ahiana intsony hoy ny filohan`ny CENI, Rakotomanana Hery, ny tetibola amin`ny fanomanana ny fifidianana ho filoham-pirenena, izay nitentina 3 tapitrisa dolara. Ankoatra ny fandraisan`anjaran’ny fanjakana dia efa nampanantena ireo mpiara-miombon`antoka ara-bola ka tsy tokony hisy intsony ny sakana. Betsaka kosa ny fiovana teo amin`ny fanatontosana ny fifidianana 2018 satria nisokatra ny fitantanana, im-betsaka no niara nivory tamin`ny antoko politika, fiarahamonim-pirenena … Manaiky ny fanitsiana ataon`ny besinimaro saingy zaraina azy ireo ihany koa ny ahiahy mba hisian`ny mangarahara, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa ny alarobia 1 aogositra 2018 ka hatramin`ny talata 21 aogositra 2018 no fe-potoana anaterana ny taratasim-pilatsaham-kofidiana. Nampahafantarina teo anivon`ny HCC ireo solontenan`ireo kandidà izay handray anjara amin`ny fifidianana ho filoham-pirenena ny lalàna mahakasika ny antontan-taratasy ilaina amin`ny fifidianana ho filohan`ny repoblika. Araka ny voafaritry ny lalàna vaovao momba ny fifidianana, izay no antony nanatanterahina izao atrik`asa iarahan`ny HCC, ny CENI ary ny PNUD omaly tetsy Anosy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.