Atahorana ny hiverenan’ny toe-draharaham-pifidianana ho toy ny tamin’ny 2002 noho ny mety ho fanatsimbadihana voka-pifidianana.
Hifandroritana ny fandresena ary ho olana ny fiatrehana ny fihodinana faharoa, raha tsy misy ny fitsipi-dalao mazava sy ny lalàna ary ny lamina tsy mitanila. Aty am-piandohana rahateo, dia efa tsikaritra ny karazana fitanilana na hiezaka hanadio tena aza ny mpikarakara. Tsy manomboka akory ny fifidianana, dia efa misy amin’ireo handray anjara no tsy manana fitokisana akory ny CENI, ary mivoy ny tokony hanamboarana ny firafitr’ity vaomiera misahana ny fifidianana ity, saingy iniana tsy henoina. Noboriborian’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Jean Eric Rakotoarisoa ny resaka, fa tsy azo atao ny manao fanambarana ampahibemaso manaratsy na manakiana ny antokon-draharaha mikarakara ny fifidianana. Na tany amin’ny fanomezan-drariny ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny didy navoaka ny 25 mey teo, tsy nanesorana ny filoha tamin’ny toerany aza, dia efa antony lehibe iray tsy hananana fitokisana intsony ny HCC satria hanome rariny an-dRajaonarimampianina hatrany na ny olona izay hotohanany. Olona efa nambara izao fa nandika lalàna tsy nahatanteraka ny voalazan’ny andininy faha-167 ao anatin’ny lalàmpanorenana dia ny fananganana ny Fitsarana Tampony na ny HCJ. Azo hanesorana ny filoha io raha mitombina tokoa, ary dia tena voamarina saingy ny HCC, dia nahita hevitra hiarovana an-dRajaonarimampianina. Io ihany koa anefa ny fivoizana mafy ny HCC ho mpanakorontana tamin’ny didy navoakany, ataon’ny haino aman-jerin’ny mpitondra, izay midika ihany koa tsy fahatokisan’ny HVM io andrim-panjakana io na dia niaro an-dRajaonarimampianina aza izay tsy hay na tena marina na sinema ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.