I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no tsara toerana indrindra, mety hivoaka amin’ny fifidianana filoha ny 7 novambra, ary hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny 19 desambra,
raha ny tombana sy ny fanadihadiana samihafa na ny « sondage » mandeha any ambadibadika any, izay tsy iray na roa fa maromaro. Anisan’ny nanao io fanadihadiana io ny gazety Rosianina iray. Ratsy toerana Rajaonarimampianina izay faha-4 any ho any. Midika fa ny TIM sy MAPAR aloha no tompon’ny lakile. Ny anaran-dRajoelina rahateo no tena nisaloran-dRajaonarimampianina ny taona 2013, ary izay no nahalany azy ho filoha satria niady mafy ho azy na tamin’ny fampielezan-kevitra na ny kajikajy maloto Rajoelina sy ny tetezamita. Nanatombo ny TIM satria 21,2% no azon’i Jean Louis Robinson tamin’ny fihodinana voalohany. Nitsimbadika na natsimbadika ny vokatra taty amin’ny fihodinana faharoa, ka 46,51% no ambara fa azon’i Jean Louis Robinson, ary lany tamin’ny salan’isa 53,49% i Hery Rajaonarimampianina. 5 taona latsaka aty aoriana, dia mbola nangataka ny hamerenana ny fanisana ny vato sy fampitahana ny vokatra i Jean Louis Ronbinson, vao roa herinandro teo izay. Na sesitany 5 taona (2009-2014) ary tsy afaka nanao propagandy ho an’ny kandida notohany aza Ravalomanana tamin’ny 2013, dia niteny ho azy ny vokatra fa mbola mafy sy matanjaka ny TIM. Tsy hiadian-kevitra, fa vao mainka miakatra ny tanjany rehefa Ravalomanana tenany no kandida sy hanao propagandy ho azy. Na izany aza, dia tsikaritra ho somary mitandrintandrina sy manomana ny paikadiny i Marc Ravalomanana amin’ny firotsahan-kofidiany noho ny resaka antsojay. Miezaka mafy manao fampielezan-kevitra sy maka fom-bahoaka any amin’ny faritany kosa Rajoelina. Tsy mbola nilaza tamin’ny fomba ofisialy fa ho kandida, saingy efa mandefa ritsoka sy mampanantena vahoaka. Afaka ny hirotsaka an-kalalahana tokoa ve anefa izy ireo ary tena hadio ve ny fifidianana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.