Roa herinandro eo ho eo sisa dia hiatrika ny fifidianana Ben’ny tanana isika eto Madagasikara. Hanomboka anio Alakamisy 16 Jolay ny fampielezan-kevitra mifandraika amin’izany izay mitaky fiomanana goavana amin’ny ankapobeny. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny Fokontany
anefa dia mbola betsaka amin’izy ireny no misedra olana. Ho an’ny Fokontany Angarangarana etsy Anosibe ohatra dia mbola betsaka amin’ireo mpifidy vaovao nisoratra anarana no tsy mbola nahazo kara-pifidianana, raha araka ny fanazavan’ny filoham-pokontany Andriamatoa Maharitra Petera. Na ny toerana hakany izany aza raha araka ny nambarany tsy mbola fantany akory ankoatra ny famaliana ireo mpifidy teo aloha mikasika ny mbola hahafahan’ireto farany mampiasa ny kara-pifidianany teo aloha na tsia. Farany izay tsy kely akory dia anisan’ny olan’ireo fokontany ihany koa ny tsy fisian’ny panneau d’affichage izay efa tokony hipetraka nanomboka omaly farafahatarany. Na izany aza moa dia nambarany fa efa nanomboka omaly hariva ny fanentanana ireo mpifidy miisa 4.000 ao amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.