Na dia namoahana didy aza fa andro tsy hiasana nefa handraisan-karama ny andron’ny omaly faha-31 jolay nanatanterahana ny fifidianana kaominaly teto
amintsika dia tsapa tetsy sy teroa fa mitombina ho an’ny mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny sy ho an’ireo mpiasa tsy miankina mandray vola amam-bolana sasany izany resaka izany raha ho an’Antananarivo manokana, fa tena mampisalasala kosa ho an’ny ankamaroan’ireo miasa tena. Raha nanaovana fanadihadiana tsotra omaly ireo mpivarotra nameno ny moron-dalana tetsy Mahamasina dia tena nanaporofo izany mihitsy na dia be aza no nilaza fa andeha hangoron’entana izao fa mba hanatanteraka adidy handatsa-bato nefa tsy nahafoy an’izany fivarotana izany akory fa niharitra hatramin’ny andro maizina aza. Tsy nahagaga raha 30% ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy teto an-drenivohitra .
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.