Politique

Fifankahalana sy fifanalam-baraka Efa fomba fiadin’ny MAPAR sy HVM hatrizay


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Ny ekipan’ny tetezamita sy ny HVM no tena manam-pahaizana amin’io politikan’ny fankahalana sy kapa vavaranjo io, ary manomboka tsy misy ankitsitsy izy io amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Mahavita mamorona ny tsy misy mihitsy hahafahana manenjika sy manasoketa ny hafa sy hanapotehana azy.

Fomba fiady ampiasaina io rehefa tsy manan-kevitra mitombina intsony, ka ny halako bika tsy tiko tarehy no ezahina hafafy, izay fomba fiadin’ny kanosa ihany. Novoizina tany amin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana ny fanosoram-potaka samihafa nentina nandotoana an’i Marc Ravalomanana, ka dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-niseho. Marary ny fon’i Andry Rajoelina ankehitriny vao voakitika kely satria noresahin’ny gazetin’ny fitondrana HVM izay napetrany ny momba ny zanany. Lojika be izany, ary zony ny miaro ny ankohonany saingy safidiny ihany koa ny hitondra ny zanany anaty famoriam-bahoaka ara-politika, izay mety hiteraka tsikera ho an’ny mpitazana, hoy ny fanehoan-kevitra sasany. Manao vain-drahalahy tsy mba marary ihany koa anefa ary minia manadino ny tantara. Odiana tsy tadidy ve ny antsojay nataon’ny olon’ny tetezamita tamin’ny mpomba an-dRavalomanana ? Tsy tsaroana ve ny resaka saika hakana an-keriny ny zanaky ny filoha Ravalomanana tamin’ny janoary 2009 ? Mifanao an’io indray ny HVM sy ny MAPAR ankehitriny, izay efa zatra mifamoaka dosie maloto hifanaratsiana satria niara-nihosina tao anaty tetezamita sy mifankahalala afera maloto. Asa na inona indray no hiseho ato ho ato?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT