Politique

Fifandanjan-kery politika Hanao fifidianana depiote alohan’ny fotoana ?


  • Talata 11 Aogositra 2015

Hamaritra ny fifandanjan-kery politika eto Madagasikara ny vokatry ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay 2015 teo. Eo am-piandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana

 

amin’ny fanjakana anefa dia mandeha izao ny tombana samihafa. Tsy azo ihodivirana fa dia horaofin’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ny maro an’isa amin’ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly voafidy eo. Efa midehaka amin’izany rahateo ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity antoko eo amin’ny fitondrana ity, fa tsy lavitra azy ireo ny Kaominina miisa 1000 amin’ny 1695 misy manerana ny Nosy. Eo anatrehan’izay dia mihevitra ny mpandinika politika fa mety tsy hanana heriziky ho tanteraka intsony ilay “Pacte de responsabilité” tondroin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nentina nandaminana ny fifanolanan’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo depiote nanao “motion de déchéance” ny filoha. Manomboka resahina any an-dalantsara rehetra any indray izao ny mety hirosoan’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana, mialoha ny hanaovana fifidianana Loholona. Ny tsy fananan’ny antokony depiote voafidy rahateo manosika azy hiroso amin’izany, hananany fototra mazava. Raha toa mantsy ka mbola miverina ny disadisa dia tsy ho afaka handrava ny Antenimieram-pirenena ny filohan’ny Repoblika raha voafatotry ny “Pacte de responsabilité”.

Ra-Bri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT