Politique

Fifanarahana ara-politika Manaraka vanim-potoana


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Niteraka resa-be teo amin`ireo mpisehatra politika sy ny fiarahamonina ny fisian’ny fifanarahana ara-politika. Hatreto, tsy mbola nisy nahita fifanarahana ara-politika.

Maro ireo antoko na vondron-kery mitaky hamoahana izany toy ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM). Raha hiverenana ny tantara, samy nanana ny maha samy hafa azy ireo fifanarahana politika nifanesy teto Madagasikara nanomboka ny taona 1991. Miankina amin`ny olona mpifanandrina ny firafitry ny fifanarahana. Iza no hery na vondron-kery politika nangataka tamin`izany ? Inona no fotokevitra sy ny politikany ? Inona no zavatra tadiavin-dry zareo ? Inona no marimaritra iraisany azony amin`ilay fifanarahana ?

Taona 1991

Nisy ny fifanarahana “Convention de Panorama” ny 31 oktobra 1991 izay anisan’ny tsara indrindra teto Madagasikara. Tafiditra tao anatin`io fifanarahana io avokoa ny olona sy antoko rehetra. Rehefa lany, nampidirana tao anatin`ny “ordonnancement juridique” fa tsy nandehandeha ho azy ny fifanarahana politika tsy voasonia toy ireny “Gentlemen Agreement” ireny izay mifanohitra amin`ny vahoaka. Nampidirana tao anatin`ny lalàmpanorenana sady nahitana olona nahafehy nitantana an`i Madagasikara tamin`izany. Ny praiminisitra Guy Willy Razanamasy no tena nahavita nitantana ny tanànan`Antananrivo sady nahavita nitady lalana nivoahana tamin`ny krizy. Ny krizy 1991 anefa no anisan`ny nisy faty olona maro indrindra kanefa tafavoaka soa aman-tsara. Na dia nisy fahombiazana tamin`izany dia nametraka takaitra tamin`ny fitondrana Zafy Albert, tsy nanana fitoniana politika ary niafara tamin`ny fitakiana ny fialan`ny profesora.

Taona 2002 ka hatramin’izao

Teo ireo fifanarahana Dakar 1 sy 2 saingy tsy tanteraka izy io ary tsapa ho sosotra sy nalahelo mafy noho izany ny Amiraly Ratsiraka. Ny tondrozotra (feuille de route) nifanarahana tamin`ny 16 septambra 2011 no sokajian’ny mpandinika politika fa ratsy indrindra satria ireo olona nanao sonia tamin`io  dia olona tsy nety tamin`ilay izy ka nakisaka. Tsy niditra tamin`ny “ordonnancement juridique” mazava tsara satria tondrozotra ilay fifanarahana sady tsy nanaovana  fitsapan-kevi-bahoaka no tsy nampidirina tao anaty lalàmpanorenana. Takaitra navelan`ireny no hiainantsika izao satria samy manao valifaty daholo. Nisy ihany koa ny “ni……ni…” ka ilay mpifanandrina politika tamin`izany tsy faly satria kandidà tamin`ny ora farany, izany hoe kandida mpisolo toerana no nifanandrina teo ka nitarika ny atao hoe valifaty politika

Tsy azo lavina fa ny fifanarahana ara-politika  dia manaraka vanim-potoana saingy tamin`ity taona 2018 ity dia noferana ireo olona na hery politika ho ao anatiny kanefa toa tsy vahaolana mihitsy, ary ilay izy aza dia manjavozavo tanteraka. Ny firosoana amin’ny fifidianana no toa mahamaika, kanefa iza no afaka manome antoka fa izay tokoa ny hamaha ny krizy ?


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT