Politique

Fiatrehana ny fifidianana Miandry ny toromarik’i Dada ireo mpomba azy


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Efa tsindrian-daona ireo mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana izany hoe ny TIM sy ny KMMR ary miandry ny toromarika sy ny paikady hiatrehana ny fifidianana. Anisan’ny kandida vaventy sy tsara toerana indrindra rahateo izy, ary tsy takona nafenina ireny efa fisomparana azy samihafa ireny,

toy ny lalàm-pifidianana izay fototra niaingan’ny tolona teny amin’ny 13 mey nanomboka ny 21 aprily. Tsy takona afenina anefa fa tsy dia azoazon’ny Karana sy ny Frantsay ary ny ampahany amin’ireo Malagasy mpanefoefo eto izy ; ary efa fantatra hatramin’ny 2009 fa manao izay azo atao rehetra ireo vondron’olona voalaza teo ireo mba tsy hiverenan’i Marc Ravalomanana amin’ny toeran’ny filohan’ny repoblika intsony . Na inona paipaika kotrehina any ambadimbadika  any  anefa, dia azo antoka fa miomana mafy i Marc Ravalomanana sy ny ekipany amin’izao efa-bolana mialoha ny fifidianana izao. Hatreto aloha, ny tolon’ny 13 mey tarihin’ny depioten’ny fanovana no tena hamantarana ny TIM sy ireo zanak’i Dada. Olon’ny foto-kevitra sy matotra eo amin’ny fanohanana fa tsy tambazam-bola na zavatra hafa, toy ny fanaon’ny sasany. Efa nambara iny ny datim-pifidianana, ary efa nambaran’i Dadavalo hatrizay fa vonona sy tsy matahotra fifidianana ny TIM, izay sokajiana ho anisan’ny antoko lehibe eto Madagasikara ary manana ny rantsany any amin’ny faritra rehetra. Ny olona hotohanan’ny TIM no tena hitondra ny fandrosoana eto amin’ny firenena, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa tamin’ny 1 jolay teo. Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy handray fanapahan-kevitra politika lehibe ny TIM, indrindra fa hiatrika ny fifidianana. Tsy afaka hiaraka rahateo ny tolona sy ny fifidianana fa misy ny fandaminana tsy maintsy atao. Hidina eny an-kianjan’ny 13 mey hamarana ny tolona toy ny nataony tamin’ny 21 martsa 2015 teny amin’ny Kianja Magro ary ve i Marc Ravalomanana ato ho ato satria hifantoka amin’ny fifidianana amin’izay ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT