Nitsidika tamin’ny fomba ofisialy ny jeneraly Paza Didier Gérard, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny toeram-piasany atoa Stanislas Akhmedov, masoivohon’i Rosia eto Madagasikara
. Niompana tanteraka tamin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny resaka ka ny fanofanana ireo mpitandro ny filaminana ny amin’ny fampandriana fahalemana ny tany no tena niompanan’ny dinika. Tetikasa izay hotanterahina ao anatin’ny fotoana fohy izay voaresaka fa noresahin’ny roa tonta ihany koa ny fiofanana maharitra izay mety haharitra dimy taona. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia fiovan’ny lalana politika lehibe indray ity raisin’i Madagasikara ity ka asa na hanao ahoana indray ny mason’ny Amerikanina sy ny Frantsay izay tena miditra lalina amin’ny raharaha miaramila sy ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara. Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay no nandalovan’ny lehiben’ny tafika an-dranomasina amerikanina teto Madagasikara dia izao indray fa hiara-miasa amin’ny tafika Rosianina indray. Sakay sy maso mantsy ireo roa tonta ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.