Politique

Fiangonana FAM sy ny antoko GFFM Manao pi-maso amin’ny Ekar sy ny Kardinaly vaovao


  • Zoma 13 Jolay 2018

Miezaka hanome lanja ny firaisankinan’ny kristianina ny FAM na ny Fiangonana Apokalypsy maneran-tany sy ny antoko GFFM miara-dia aminy.

 

Namaly ny fanasan’ny Ekar azy hanome voninahitra ny lanonana nandraisana an-tanindrazana ny kardinaly Désiré Tsarahazana tamin’ny fandefasany solontena mafonja teny Ivato ry zareo ary mbola nanamafy ny firariany ny hisian’ny fifandraisana bebe kokoa eo amin’ny antokom-pinoana isan-karazany toy izany ny mpitondra teny, Ramamonjisoa Régis, tamin’ny fandraisam-pitenenany. Dia nanao pi-maso ho an’ny Ekar sy ny kardinaly vaovaony izy ireo. Tsy teto an-toerana ny Pr Mailhol mpitarika azy ireo, hoy izy, ka izay no tsy nahitana azy niatrika an’io lanonana io. Tsy vao izao ny fifandraisana teo amin’ny FAM sy ny Ekar fa efa nisy am-bolana maro ny fifaneraseran’ny mpitarika azy tamin’ny mpitondra fivavahana katolika tany amin’ny faritra maro teto amin’ny nosy. Nambarany rahateo fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy izy ireo ho fampivoarana ny lafim-piainan’ny mpino sy ny mpanaraka ny foto-kevitra ijoroan’ny GFFM amin’ny ady amin’ny fahantrana eto amin’ny firenena.

 Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT