Entin’ny tahotra sao tsy hahafeno ny toerana 15.000 ao Ampasambazaha handray ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sa tsy te ho afa-baraka fa tsy mahazaka olona ny mpitondra ? Tsy homena alalana hihaona amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa sy ireo mpikambana amin’ny antoko Tiako I Madagasikara manerana an’i Matsiatra Ambony mantsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana anio.
Hanome fanantenana ny vahoaka
Tokony hiatrika kongresim-paritra ao Bateravola koa ny Tiako I Madagasikara amin’ity anio ity. Nanazava tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana anefa ny Prefen’i Matsiatra Ambony fa tsy azo zaraina ny vahoakan’i Fianarantsoa, fa manasa ny filoham-pirenena dia manotrona azy ny vahoaka rehetra. Omaly maraina no efa tao Fianarantsoa Atoa Marc Ravalomanana, hihazo an’i Ihosy. Mirohotra mamonjy azy avokoa ny olona amin’izay toerana ijanonany. Mitsidika aty atsimo aho, “hanaporofo fa tokana tsy mizarazara ny antoko Tiako I Madagasikara najoroko”, hoy izy, ary “tonga koa aho hanome fanantenana ny vahoaka fa hitondra fampandrosoana”. Nidina nijery ifotony ny zava-misy iainan’ny mponina tao Fianarantsoa moa izy tamin’io fandalovany io sady nihaino azy ireo. Nambarany fa ratsy ary tena ratsy ny lalana, indrindra eo anelanelan’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa amin’ny lalam-pirenena faha-7. Lalana mampitaraina ny maro hatry ny ela sady anjakan’ny asan-jiolahy izy ity. Fanamboarana kianja anefa no nihazakazahan’ny fitondrana HVM. Amin’izany indray, amin’ny fotoana mampihemotra an’i Madagasikara any amin’ny laharana faha-122 manerantany amin’ny baolina kitra, raha ny fandaharana navoakan’ny FIFA omaly, no hitokanana ny kianja anio. Afaka nihaona sy niresaka mivantana tamin’ny vahoaka tao Ihosy koa io omaly io ihany i Dada, nilamina ny dia tany ary tsy nisy ny sakantsakana. Mbola mamy hoditra amin’ny vahoaka ity filoha teo aloha ity ary tena mbola maro no manantena azy hanampy ny Malagasy amin’izao fahantrana mandifitr’olona izao, hoy ireo nanatri-maso.
Noho io lanonam-pitokanana io dia tsy hianatra ny mpianatra ao Fianarantsoa anio. Nomena toromarika ihany koa ny mpiasam-panjakana rehetra, hatramin’ny mpamafa trano, fa tsy maintsy tonga ao Ampasambazaha fa ho avy ao ny filoham-pirenena. Ankoatra ireo mpanakanto malaza nafarana manokana hisarihana ny olona, dia fiara maromaro ihany koa no indray hahetsika anio hitaona ny olona avy amin’ireo tanàna sy Kaominina manodidina an’i Fianarantsoa, hamenoana ny Kianjan’Ampasambazaha, mba ho hitan’ny filoha, mandritra ny lanonam-pitokana ny fotodrafitrasa vao nasiam-panatsarana sady natao sentetika. Nolokoina fotsy sy manga lokon’ny HVM hatramin’ny kianja aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.