Hamory vahoaka ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia - Fianarantsoa anio i Pety Rakotoniaina, filohan’ny antoko Tambatra sady kandida Ben’ny tanàna tao Fianarantsoa I.
Araka ny fanazavany dia miara-dalana aminy avokoa ireo antoko nahatsiaro ny tsy fahalavorarian’ny fifidianana tamin’ny 31 jolay teo hanao izao famoriam-bahoaka izao. Ao anatin’ny taratasy fampilazana izay miparitaka ao an-drenivohitr’i Betsileo ao dia tafiditra amin’izao hetsika izao avokoa na ny Mapar na ny Tim sy ny Arema ary ireo antoko hafa ihany koa. Tsy mbola hitaky ny fanafoanana ny fifidianana izy ireo raha araka ny fanazavana voaray ihany fa mitaky kosa ny fampiatoana ny fampihorohoroana sy ny didy jadona ataon’ny Fanjakana ary hamaky bantsilana ny hosoka sy ny hala-bato nandritra iny fifidianana iny. Ny praiminisitra Ravelonarivo Jean indray moa dia nilaza tany Soaniedanana Ankazobe fa ireo tsy maty voalavo an-kibo sy tsy vonona hiandry am-pilaminana ny voka-pifidianana no mitarika ny korontana ankehitriny. Diso sy miteniteny foana daholo ary ve izany ireo olona mitaraina hosoka sy tsy fahalavorariana eran’ny vazantany efatr’i Madagasikara ireo ? Izay koa ve izany no nandefasana andia-miaramila avy amin’ny GSIS/FIGN/FIP any Fianarantsoa, niala omaly teto Antananarivo ?
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.