Nizotra am-pilaminana ny fifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 14 efa voatsidiky ny lehiben’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara Fatma Samoura.
Eritreri-dratsy fotsiny ihany ny momba ny ahiahy amin’ny fisian’ny hala-bato, hoy ity masoivoho maharitry ny Pnud ity nandritra ny fandalovany nitsidika ireo birao fandatsaham-bato teny amin’ny EPP Vohibola omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Tena ambany ny taham-pandraisan’anjaran’ireo mpifidy raha mihoatra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013. Tsy nisy afa-tsy 11% mantsy io salan’isa io adin’ny telo ora sy sasany taorian’ny fisokafan’ireo birao fandatsaham-bato teto Antananarivo renivohitra. Tsy resaka fanentanana velively io anton’ny tsy faharisihan’ny olom-pirenena hifidy io satria azo ambara fa efa matotra ny Malagasy amin’ny fampiasana ny biletà tokana taorian’izay telo taona izay. Vitsy kokoa rahateo ny isan’ny kandida ary nahena ny haben’ilay biletà tokana. Gaga amin’ny tsy fahitana ny anaran’ireo kandida sasantsasany tsy hita ao anaty lisi-pifidianana ihany koa ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Pnud ity. Nanome fiarabe 45 sy fiara tsy mataho-dàlana 5 ho fanampiana amin’ny fanangonana ny voka-pifidianana ao anatin’ny mangarahara eto an-drenivohitra moa ry zareo avy ao amin’ny Firenena mikambana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.