Na inon-kidona na inon-kiantra, hoy ny fanamafisan’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, azy tetsy amin’ny fonenany etsy Mahazo omaly, dia tsy maintsy tonganay ny fanorenana ifotony.
Izay no anton’ilay fifaneken’ireo antoko politika 100 mahery mivondrona ao anatin’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI natao tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina iny. Zavatra miisa 2 no mila apetraka mialoha ny ametrahana zavatra hafa dia ny fampihavanana sy fanarenam-pirenena. Apetrao ny fanontaniana! Inona no tombony ho entin’io governemanta vaovao io ho an’ireo nitolona teny an-dalambe? Tsy maintsy ataonao izay hahatongavana any amin’ny fanorenana ifotony na inon-kidona na inon-kihatra ary mila lalàm-panorenana vaovao isika hahatongavana amin’izany. Ho hitanareo eo, hoy hatrany izy, fa itarinay any amin’ny sendika sy fiarahamonim-pirenena io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.