Saika mamoitra ny filana sy mahamaika ny atao hoe fanorenana ifotony avokoa ireo mpanao politika tsy tao anatin’ny rafi-panjakan’ity fitondrana HVM ity rehetra. Rehefa dinihana dia toa tetika iraisan’ny ankamaroan’izy ireo ihany koa izy io idirana any amina rafitra federaly na ny federalisma.
Anisan’ny mivoy izany ny antoko Kintana, tarihin’i Tabera Randriamanantsoa, ry zareo avy eo anivon’ny Olona Hasin’ny Tany (OHT) ary misy mihitsy moa ilay vovonan’ireo federalista miaraka amin’ireo mpanao politika maro toa an-dry Max Fabien sy ry Ferdinand Razakarimanana. Efa hita anefa ny fahasahiranana tamin’ny fametrahana ny faritany mizakatenan’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny. Tsy vao mainka hiteraka fisaraham-bazana ve io, kanefa fampihavanana no katsahina eto ? Rahampitso amin’ny 9 ora maraina dia hamory ireo mpomba azy etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba ry zareo eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI) hanazavan’izy ireo mikasika ny tiany hahatongavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.