Nandefa taratasy fangataham-panazavana any amin’ny praiminisitra Christian Ntsay momba ny fampiharana ny didin’ny HCC, ary maniry ny hihaona aminy ny depioten’ny fanovana.
Ao anatin’izay ihany koa ny fanangonan-tsonia eny an-kianja amin’ny fangatahana aminy ny hanaisorana ireo depiote HVM ao anatin’ny governemanta, izay miisa 14 ka ny 8 tao anatin’ireo dia tao anatin’ny governemanta vao nirodana teo, toa an-dry Rasolofonirina Béni Xavier, Andriambololona Vonintsalama, Henry Rabary-Njaka, Ralava Beboarimisa, Rasoloelison Lantoniaina, Rasoazananera Marie Monique, Maharante Jean de Dieu, Harison Edmond Randriarimanana, Yoel Harinirina Rantomalala, Horace Gatien, Riana Andriamandavy, Eric Michel Idrissa, Ulrich Andriantiana. Nialoha ny fihaonana tamin’ny vahoaka teny an-kianja, dia mbola nivory teny Tsimbazaza nitsipaka ny saika hampandaniana ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana (LFR) nasiam-panovana ireto depiote ireto. Tsy ara-dalàna iny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana iny satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony fa mila amboarina, ary mbola ny praiminisitra teo aloha no nanasonia azy. Nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa tsy hampandany iny lalàna iny mihitsy izy ireo raha mbola eo ireo minisitra HVM. Takiana ihany koa ny hampidirana avy hatrany ny fitakian’ny sendika, dia ny hampidirana avy hatrany ao anatin’io lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana io ny resaka fampitoviana mari-karama. Mitohy hatrany ny tolona anio, ary andrasana na ho mbola ho avy eny an-kianja tokoa ireo depioten’ny fanovana lasa minisitry ny fanovana amin’ity andro tsy fiasana ity, na hanadino ny vahoaka mpitolona rehefa nahazo seza. Ny sasany izay tsy lasa minisitra aza mantsy toa misy ihany no efa tsy hita eny an-kianja. Asa na noho ny fahasahiranana na antony hafa mihitsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.