Tsy vahaolana velively ialana amin’ny fahantrana ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity, hoy ry zareo avy ao amin’ny Hetsika Fanarenana Ifotony (HFI) miaraka amin’ny antoko ADN tarihan’Atoa Edgar Razafindravahy.
Hisy ny diabe hataon’izy ireo ho fampahafantarana ny olom-pirenena ny momba izany eto Antananarivo no hanombohana azy; avy eo iparitaka any amin’ny faritra sy ny distrika.Afaka 10 andro fara fahatarany no hanatanterahana ny fidinana an-dalambe raha ny fanazavana voaray omaly.Ireo krizy rehetra niseho teto amin’ny firenena ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 dia tsy nisy voavaha tamin’ny alalan’ny fifidianana, ka ndao aloha hiaraka hanarina ny firenena sy hanao ilay fanorenana ifotony izay voa miaraka mifidy isika rehetra hoy Atoa Marcellin Razanakoto avy ao amin’ny HFI .Ho an’i Pety Rakotoniaina kosa dia fivoriana fanatanterahana ny sonia nataon’ny HFI sy ny ADN teny Andohalo no natao omaly ka nandinihana ny rafitra hirosoana lalindalina kokoa amin’ny fitakiana.Vonona ny hifanome tanàna amina antoko politika maro izy ireo ary manizingizina fa tsy azo ihodivirana ny fanorenana ifotony an’i Madagasikara .Manomboka izao ihany koa dia tsy mpikambana intsony ao anatin’ity vovonana ity Atoa Jean Omer Beriziky satria nilaza fa ho kandida filoham-pirenena ny tenany kanefa ny fanoherana ny fifidianana no antom-pisian’ilay fifanarahana nosoniavina teny Andohalo ary mitohy amin’izao hetsika rehetra izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.