Politique

Fanohanana an’i Marc Ravalomanana Tafatsangana ny KMMR Tolagnaro


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Tafatsangana ara-dalàna ny 11 jona teo ny KMMR na ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana any amin’ny Distrikan’i Tolagnaro.

 

 Tanjona iray himasoana hiarahana amin’ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy no hotratrarina, dia ny fampandaniana indray ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana noho ny fahitana fa izy no nanana sy mbola manana ny fahaiza-manao hahafahana manafaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana mangitsokitsoka izao. Efa tafapetra amin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Birao mandrafitra ny KMMR, izay manentana ny vahoaka rehetra any amin’ny kaominina ambanivohitra sy ny an-drenivohitra any amin’ny distrikan’I Tolagnaro mba hifanome tànana sy hiara-hisalahy ary hamelona indray amin’ny endriny vaovao sy amin’ny heriny tanteraka ny KMMR sy ny TIM. Ny TIM Tolagnaro rahateo taorian’ny 2008-2009 dia tsy rava mihitsy, ary nitohy hatrany ny fihaonana samihafa nentina nitazona ny firaisan-kiana. Nandritra ny dian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany an-toerana volana vitsy laza izay, dia nanome toromarika ny tenany amin’ny hametrahana ny KMMR, ka ny loholona teo aloha Mosa Tahiry no niandraikitra ny fandrindrana ankampobeny izany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT